Misy raki-tsarobidy
sy tahiriko hatrizao
Izay hiotrika ato anaty :
Ny fifaliako...Ahiahiko...
Raha misy te hanopy izao fitadidiana izao
Ka hikirakira ny ato
Ao ny foko sy fanahiko.
Ho
anao izay liana hamantatra ny mpanoratra,
Ho anao izay mankafy ny asa sorany,
Ho anao izay te handalina misimisy kokoa ny momba azy,
ary ho anao izay nahafantatra azy na nifanerasera taminy teo an-drijan'ny fiainany
, no anoloranay taranany ireto takila ireto mirakitra ny tantarany sy
ny santionany amin'ny sangan'asany.
Asaina ianao handray anjara ao amin'ny boky volamena ho raki-pahatsiarovana.