POEMES
TRADUITS
Poème
tiré du recueil "Salohy"
| Ho
an’i Zo,
Homeko lalana ianao, rahefa folaka aho ry aiko,
Ka hatolotro anao ny faneva nolanjaiko.
Tsy izao…Fa rahatrizay, ka ho levona ny tenako,
Ary efa tsara katona izay fasan-kilevenako.
Rahatrizay ka tsy eto intsony ny tandindon’ny fijoroko
Vao hizory avokoa ny sori-dalana natoroko,
Rahatrizay ka efa foana ny halohalon’ny fisiako,
Ary efa sary adino izay toeran-katoriako.
Raha mbola eto aho, ho tena sarotra aminao
Ny hisongona ny anarako.
Avelao fotsiny aho hisava lalana ho anao,
Ny taona maro nianarako
Hiala olana avokoa hanomana ny ho avinao!
Rahefa folaka aho, ry aiko,
Aza avelanao ho lò ireo voa izay namboleko.
Aza avela ho makiana iny tany izay nasaiko,
Aza avela ho zava-poana ny tantara notefeko,
Aza avela hitsilopy ny fanilo izay narehitro
Aza avela hirara-boa ny amboara milonjehitro.
Aza avela hiparitaka ny takila izay nangoniko,
Aza avelanao ho faty ny anara-novelomiko,
Fa anaran-draiko izany sy anaran’olon-tiako,
Ka mirakitra ny foko sy ny tany nihaviako…
Rehefa folaka aho, ry aiko, mandrosoa etsy aloha;
Ny lalana diavinao ho lasan-davitra kokoa.
Ny afo izay arehitrao, enga hiredaka kokoa,
Ny tany izay voaasanao, hitera-bokatra kokoa,
Ny anaranao ry aiko, hisongadina kokoa !
Homeko lalana ianao, rahefa tapitra ny anjarako,
Ka hihoary izay nataoko dia songòny ny anarako.
1970
|
Mon enfant,
Je
céderai la voie quand fléchira mon corps,
Je tendrai le fanion que j’ai hissé alors,
Plus tard…Dès lors que ma chair aura consumé,
Et que ma tombe, elle, sera bien verrouillée.
Plus tard, quand s’évanouira l’ombre de ma présence,
Suis la direction que j’ai montrée d’avance,
Quand s’estomperont les traces de mon parcours,
Que mon lieu de repos, bien oublié un jour.
Si je suis encore là, il te sera ardu
De relayer mon nom.
Laisse-moi simplement te frayer le chemin,
Mes longues années vécues
Sauront te préparer un meilleur lendemain !
Quand je serai partie,
Ne laisse pas moisir les grains que j’ai semés.
Ne laisse pas dépérir mes terres labourées,
Ne laisse pas s’oublier l’histoire que j’ai tissée,
Ne laisse pas s’éteindre ma lanterne allumée,
Ne laisse point déteindre mes valeureux trophées.
Ne laisse pas mes oeuvres se disperser au vent,
Et ne laisse surtout pas disparaître mon nom,
C’est celui de mon père et de l’homme de ma vie,
Il recèle donc mon cœur et l’âme de ma patrie.
Quand je serai partie, devant tu passeras ;
Plus longue sera ta route et plus loin tu iras.
Ton flambeau brillera en étant plus nourri,
La terre, par tes mains, produira plus de fruits,
Et ton nom, mon enfant, ira au firmament !
Je céderai la voie quand j’aurai fait
mon temps
Surpasse mes actions et devance mon nom.
1970
traduit par LILA
|
Poème tiré
du recueil "TARATRA"
|
Moron-danitra
fahiny
Moron-danitra fahiny
No manindry lokoloko iny moron-danitra iny…
Lokoloko mahazatra
Ary nampihoatra fatra
Ny tsiaro marobe tsy mba laitra novonoina
Fa manàko sy manoina!
Mihovitrovitra ny aiko mitadidy tehin-tsorony,
Moa navalon’itsy onja sy natelin’iny morony?
Ny herikeriko mahalana
Manopy ny sakelidàlana
Toy ny hampipoitra ihany ny rehetra dian-tongony
Ka voarombany… voasongony
Ny finiavana madonda nitsaboana izato ratra!
Eny,
Loko monja ihany aky, lokoloko mahazatra
No indry nampifotroaka ireo zavatra nihatra
Nisintonana malalako:
Maizimpito… Ngalingaly
Izato velatry ny lalako…
Mahatsiaro ny omaly!
Mahajanga, 14 marsa 1986
|
Une couleur habituelle
D’ un horizon auparavant,
Se rappelle un pan du ciel…
Une couleur habituelle
Qui me ramène à cet instant
A la mémoire d’une voix
Echo d’antan traînant par là !
Vibre mon corps, une fois encore,au souvenir de ses bras,
Les vagues n’ont-elles pas englouti
Cette passion qui resurgit ?
Et revoilà mes yeux rebelles
Traînant parfois dans les ruelles
Du temps passé …A la poursuite de ses pas !
Se brise déjà la volonté
Qu’il m’a fallu pour oublier !
Oui,
Il a suffi d’un seul reflet
Une couleur habituelle à l’horizon, ton arc-en ciel,
Pour raviver une blessure
Que j’ai laissée sur les bordures
Sombres soudain, de mon chemin…
Tant d’hier, je me souviens !
Mahajanga, 14 mars 1986
traduit
par LILA
|
Poèmes tirés
du recueil Pitik'onja
|
Angaha heverinao fa efa voasoratra
Ny tena sangan’asako?
Mbola eo an-dalam-pitetezan-tsolatra
Ny zavatra kinasako,
Ary io mandevy ato anatiko ato
Ny tena tsangam-bato |
Comment peux-tu croire
que j’ai
enfin écrit
Le chef d’œuvre de ma vie ?
Parcoure les sillons et creuse les ruelles
Ce que j’ai accompli,
Et bouillonne encore en mon for intérieur
le véritable stèle ! |
Ny akany izay naoriko
Enga mba ho fifalian’
Ny taranako rehetra
Sy ny mety ho olon-tiany |
Puisse le foyer que j’ai créé
Faire la joie et la fierté
De mes enfants
Et de tous ceux qu’ils chériront |
Raha hiantso andraso anaty hakiviana
Ny vongan-dranomaso
Zary tsy voailika
Ho etsy ankilabao
Ho elo avy hatrany
Ny momba anao ry tany |
Quand dans la lassitude
implore « attends-moi »
Le flot du désarroi
Point il n’écartera
Vers un autre côté
Comme étant un péché
L’univers tout entier |
Ary
nisy namana teo ankodimiran’
Ny sendrasendra aky,
Mandramby izany tanako…
Kintana mangiran’
Ny lalan’ny fitia
Mikirika ho fananako.
Eny, misy namana azoko hiankinana
Raha tojo ny fidinana
Azoko hifaharana
Hanohy ny fiakarana.
|
Et
il fut un ami à travers
mon chemin
Au détour du hasard,
Il a saisi ma main…
Et l’étoile éclaira
Le parcours de l’amour
Voulant bien être mien.
Et
il y a un ami, celui qui sait m’aider
Au long de la descente
Sur qui je peux compter
Pour suivre la montée
traduits
par LILA |
>
biographie
|